Annonces - FPMA Strasbourg

Download Report

Transcript Annonces - FPMA Strasbourg

Raharaham-piangonana 12 Aprily 2015
1°) Amin’ny Alahady 19 Aprily dia ny Sampana STK no hitondra ny fotoana satria fanompoampivavahana entin’izy ireo hankalazana ny faha-15 taona nijoroan’ny Sampana STK eto anivon’ny
FPMA izany fotoana izany.
2°) Ny fanadiovana ny fiangonana manaraka dia amin’ny Asabotsy 25 Aprily manomboka
amin’ny 2 ora sy fahefany ary ny Diakona tompon’anjara amin’izany dia Ramatoa sy
Andriamatoa isany Lanto Ramasomanana, Armandine Rabeson ary Espéré Ratsimbazafy.
3°) Vita soa aman-tsara ny asabotsy lasa teo ny fetim-piangonantsika ka isaorana voalohany ny
Tompo lehibe satria raha tsy Izy dia tsy nahatanteraka n’inona n’inona isika. Misaotra ihany koa
ny Diakona rehetra, ny Sampana STK – Sekoly Alahady –Chorale tamin’ny fanafanana ny fety
ary tsy adino isika mpiangona rehetra izay tonga nanatrika ny fety na isika izay nitondra ambavaka an’izany.
Ho an’Andriamanitra irery anie ny laza sy ny voninahitra.
4°) Concert STK:
Ny Sampana STK eto amin’ny Fiangonantsika dia hanao Rindra-kira ny Asabotsy 25 Aprily
2015 eny amin’ny fiangonana Eglise de la Réconciliation Hoenheim (15 rue des Voyageurs)
manomboka amin’ny 8 ora hariva. Tsy misy ny vidim-pidiirana fa rakitra no ho tatazana. Ao
aorian’ny rindra-kira dia hisy ny “pot de l’amitié” hiarahantsika rehetra koa samy mitondra kely
ny tsirairay ka izay rehetra tonga eo no hifampizarantsika.
5°) Fanasana avy amin’ny namana Advantista:
L'église chrétienne adventiste du 7è jour de Strasbourg, Membre de la Fédération des églises
protestantes de France vous invite à assister à la série de conférences sur le thème "Un Espoir
dans la crise : l'Apocalypse décodée" ouvertes à tous, du 25 avril 2015 au 16 mai 2015 à
l'auditorium de l'église, au 5 Boulevard d'Anvers 67000 Strasbourg, les Samedi-dimanche-lundimercredi-vendredi soirs de 19h à 20h30. N'hésitez pas à visiter notre site :
http://eas7.org/conferences-publiques-adultes-et-enfants/
A cette occasion, l'église accueillera un Invité de marque en la personne du Pasteur José Elysée
et de son épouse qui viendront du CANADA. Venez en famille, un programme spécial est prévu
pour les enfants.
Salutations fraternelles en Jésus-Christ, que Dieu vous bénisse.
Toy izay ary ny raharaham-piangonantsika koa mirary herinandro finaritra ho antsika rehetra.
Ny mpitan-tsoratra
Fanilo Ramasomanana