Diapositiva 1

Download Report

Transcript Diapositiva 1

Lesona 3 ho an'ny 18 Aprily 2015
“Ary hoy kosa Jesosy taminy: Hataonareo amiko tokoa izao ohabolana izao hoe:
Mpanao fanafody, sitrano ny tenanao! Izay renay fa nataonao tao Kapernaomy
dia mba ataovy eto amin'ny taninao koa.” (Lioka 4:23)
Jesosy dia zanak'i Josefa fotsiny ho
an'ny olona tao Nazareta (Lio. 4:22)
Nanolotra ny tenany ho Ilay Mesia
ao amin'ny faminaniana i Jesosy
(Lio. 4:18-21). Nanao ny tenany ho
“mpaminany” Izy (Lio. 4:23) ary
nananatra azy ireo Izy noho ny tsy
ninoany (Lio. 4:24-27).
Tsy te hino Azy izy ireo. Nikasa ny
hamony ny Mpamonjiny mihintsy
izy ireo tamin'io fotoana io (Lio.
4:29).
Miankina aman'aina ny fanekena fa
Jesosy dia mihoatra lavitra noho ny
maha zanak'i Josefa Azy.
“Ary ny mpianatr'i Jaona nanambara izany rehetra izany taminy. Ary Jaona niantso
ny mpianany roa lahy hankao aminy, dia naniraka azy hankany amin'ny Tompo hanao
hoe : Hianao va Ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?’” (Lioka 7:18-19)
Nanangana zazalahy tamin'ny maty
Jesosy ka dia nantsoin'ny olona hoe
mpaminany. Kanefa, i Jaona dia
mbola tao am-ponja, ary Izy tsy
mbola nanao inona na inona
hanafahana azy. Miady mafy
amin'ny finoana i Jaona.
“Fanomezan-tsiny amim-pitiavana
nataon'ny Mpamonjy tamin'i Jaona ny
teniny hoe: ‘Sambatra izay tsy ho
tafitohina noho ny Amiko’. Tsy very
maina fa nisy vokany izany. Nazava
taminy kokoa izao, ny toetry ny asa
manirahana an'i Kristy ka nampilefitra
ny tenany tamin'Andriamanitra izy na ho
amin'ny fiainana na ho amin'ny
fahafatesana, araka izay hahasoa
indrindra ny tombontsoan'ity asa tiany
E.G.W. (The Desire of Ages, tk. 22, pj. 218)
ity.”
“Ary ilay anjely namaly ka nanao taminy hoe: Ny Fanahy Masina ho tonga
ao aminao, ary hisy herin'ny Avo Indrindra hanaloka anao; koa ny Masina
Izay hateraka dia hatao hoe Zanak'Andriamanitra.’” (Lioka 1:35)
Ny fitenenana hoe “Zanak'Andriamanitra” (amin'ny endriny tokana)
dia hita in-46 ao amin'ny Baiboly. Izy rehetra afa-tsy iray ihany no tsy
manondro an'i Jesosy. Akoatran'i Jesosy dia Adama ihany no
nantsoina hoe “zanak'Andriamanitra”. Lazain'i
Lioka fa zanak'Andriamanitra izy satria tsy
nateram-behivavy (Lioka 3:38). Rehefa
ampiasana hanondro olombelona io
fitenenana io, dia mampiasa endrika maro ny
Baiboly: “ireo zanak'Andriamanitra.”
Io anarana io dia mitovy amin'ny hoe Kristy,
Mesia, Mpanavotra, Mpanjakan'i Israely …
(Jaona 1:49; 11:27).
Jesosy no Zanak'Andriamanitra; Andriamanitra
Izy. Andriamanitra “ambonin'izy rehetra.”
(Romana 9:5 ).
“Kristy, Ilay Teny, izany
hoe Ilay Zanakalahy
Tokan'Andriamanitra,
dia iray ihany tamin'Ilay
Ray Mandrakizay, na teo
amin'ny toetra izany, na
teo amin'ny fomba
amam-panao, na teo
amin'ny filànkevitr'Andriamanitra sy
niray saina taminy.”
E.G.W. (Patriarchs and Prophets, tk. 1, pj. 34)
“Tonga ny Zanak'olona mihinana sy misotro kosa, ka hoy ianareo: Indro, olona
fatra-pitia hanina sy mpisotro divay, sakaizan'ny mpamory hetra sy ny mpanota!”
(Lioka 7:34)
Araka an'i Lioka, inona no hevitry ny maha “Zanak'Olona” an'i Jesosy?
Izy dia lehilahy niaina tamimpanetre-tena, tsy mba
nanana izay hampandriany ny
lohany (Lioka 7:34; 9:58).
Izy ihany no olombelona
manana ny
fahefan'Andriamanitra. Izy no
Tompon'ny Sabata ary afaka
mamela heloka(Lioka 6:5; 5:24).
Tonga mba hanavotra antsika
amin'ny fahotana Izy. Tonga
hitady sy hamonjy ny very
(Lioka 9:56;19:10).
Fantany tsara fa ny saran'ny
Fanavotana dia fijaliana sy
fahafatesana eo amin'ny hazo
fijaliana ho Azy. Amin'izay dia Izy
no Mpanelanelana ho antsika eo
anatrehan'ny Ray (Lioka 18:3132; 22:22; 12:9).
Ho avy indray eto an-tany Izy hanome
valisoa ny olona masina ary hamarana
ilay fifanandrinana lehibe (Lioka 9:26;
12:4; 17:24-30; 21:36; 22:69).
“Fa hoy Izy taminy: Fa ianareo kosa manao Ahy ho iza? Dia namaly
Petera ka nanao hoe: ‘Ny Kristin'Andriamanitra.’” (Lioka 9:20)
Tsy maninona izay iheveran'ny hafa momba
an'i Jesosy. Ny zava-dehibe indrindra dia izay
iheverako Azy.
Iza ho ahy i Jesosy?
Raha manaiky Azy ho Kristy, Ilay Voahosotra,
Ilay Zanak'Andriamanitra, Ilay Zanak'Olona,
Mpanavotra ahy aho, dia fanekena tanteraka
no hanaraka an'izany. Hanolo-tena tanteraka
ho an'ny Mpamonjiko aho.
Ho avy tsy ho ela ny Mpanjakan'ny
mpanjaka. Maniry mafy ny hanome
ny fanjakany ho an'ireo izay nanaiky
Azy ho Kristy sy Tompon'ny fiainany
Izy.
“Fa nahazo laza amam-boninahitra tamin'Andriamanitra Ray Izy, raha tonga teo
aminy avy tamin'ny voninahitra lehibe indrindra ilay feo nanao hoe: "Ity no
Zanako malalako izay sitrako". Ary renay io feo avy tany an-danitra io, raha
niara-nipetraka taminy tany an-tendrombohitra masina izahay.” (2 Petera 1:17-18)
Araka ny Lioka 9:28, dia niakatra tany antendrombohitra hivavaka Jesosy. Nitondra
an'i Petera sy i Jakoba ary i Jaona Izy. Avy eo
dia tonga i Mosesy sy i Elia niresaka taminy
momba ny diany farany ho any Jerosalema.
Tamin'izay fotoana izay, nanantitrantitra ny
iraka sy ny maha-izy azy an'i Jesosy ny feon'ny
Ray. Tonga ny haizina avy eo, saingy ny
fahazavana avy amin'ny hafatra
nomen'Andriamanitra dia nitoetra tao antsain'izy ireo.
Nanoratra momba an'io fanandramana io i
Petera taona maro taty aorina. Fantany Ilay
ninoany. Tsy angano, tsy arira. Ny masony
mihintsy no nahita ary iriany ny hinoantsika
koa (2 Petera 1:16-18).
“Tsy ampy ho antsika no mino fa tsy mpamitaka Jesosy,
ary tsy arirarira foana feno hafetsena ny fivavahan'ny
Baiboly. Mety hino isika fa ny anaran'i Jesosy no hany
anarana nomena ny ambany lanitra ahazoan'ny olona
famonjena, nefa tsy mandray Azy ho Mpamonjy ny
tenantsika, amin'ny alalan'ny finoana. Tsy ampy ny manao
fanekem-pinoana an'i Jesosy Kristy ka hanana ny
anarantsika ao amin'ny bokin'ny fiangonana. “Ary izay
mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao
aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao
amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika.” “Ary
izao no ahafantarantsika fa mahalala Azy isika, dia ny
fitandremana ny didiny.” 1 Jaona 3:24; 1 Jaona 2:3. Izany
no tena fanehoana marina ny fibebahana. Na inona na
inona filazantsika; dia tsy misy antony izany raha tsy
asehontsika amin'ny asan'ny fahamarinana Kristy.”
E.G.W. (Christ’s Object Lessons, tk. 24, pj. 312)