Famokarana Tantànam-pianakaviana matihanina, fanjariana

Download Report

Transcript Famokarana Tantànam-pianakaviana matihanina, fanjariana

Famokarana Tantànam-pianakaviana
matihanina, fanjariana ara-tsakafo sy
fanatsarana ny vola miditra
Ministera misahana ny :
FAMBOLENA- FIOMPIANA –JONO
15 oktobra 2014
TANJONA ANKAPOBENY
Fanampiana ireo mpamokatra mba
hanatsarana ny vola miditra amin’ ireo
mpamokatra ao anaty fikambanana .
Tsindrina manokana ny fidiran’ny
vehivavy sy ny tanora ao anatin’ny
fikambanana tantsaha
PAIKADY
• Fanampiana tosika mba ho tonga matihanina
ireo fikambanana mpamokatra (OP) amin’ny
alalan’ny fanatsarana ny fahaiza-manaony
mba haharitra ny fomba famokarany eo
amin’ny seha-pihariana amin’ny ankapobeny.
• Fanamorana ny fahazoan’ireo mpamokatra
tolotra fandraharahana mifanaraka amin’ny
filàny amin’ny alàlan’ny fametrahana rafitra
fampifanatonana manamora ny fihaonan’ny
tolotra sy ny tinady
SEHA-PIHARIANA FIOMPIANA
NY FIOMPIANA MADINIKA AMIN’NY
ANKAPOBENY
- Asa fiveloman’ny ankamaroan’ny mponina
ambanivohitra amin’ny ankapobeny ny
fampiarahana ny fambolena sy ny fiompiana
madinika indrindra ireo fiompiana haingam-
pihodina
- Ny vehivavy no tena mibahan-toerana amin’ny
fikarakarana ny fiompiana madinika (akoho
amam-borona, bitro, kisoa…)
- Ny lehilahy no misahana ny fiompiana sy
mivarotra ny omby
NY FANOHANANA AVY AMIN’NY MINISTERA
HANATSARANA NY FIOMPIANA
 Fametrahana isam-paritra ka hatrany amin’ny
kaomina ireo teknisiana isan-tsokajiny mba
hahafahana manatona ny tantsaha eny ifotony
ka hampifantoka azy ireo bebe amin’ny
famokarana sy fanatsarana ny vokatra azo
• Fiaraha-miasa amin’ireo mpiaramiombon’antoka (Ministera hafa, tetikasa,
programa…) mba hamahana miaraka ireo
olana sedrain’ny Tantsaha na Vondrona
Tantsaha mpiompy
NY FANOHANANA AVY AMIN’NY MINISTERA
HANATSARANA NY FIOMPIANA (tohiny)
 Fiaraha-miasa amin’ireo rafitra efa mipetraka
toy ny CSA sy FRDA hanatsarana ny fahaizamanaon’ny tantsaha na Vondrona Tantsaha
amin’ny alàlan’ireo Mpitao-raharaha (PS)
afaka mamaly ny hetahetan’ireo mpamokatra
 Famindrana ireo asa nosahanin’ny Fanjakana
mivantana teo aloha ho amin’ireo Vondrona
tantsaha sy ny sehatra tsy miankina
(Vétérinaire sanitaire sy ireo rafitra samihafa
ACPA, ACSA, GDS)
NY FANOHANANA AVY AMIN’NY MINISTERA
HANATSARANA NY FIOMPIANA (tohiny)
 Fametrahana rafitra misahana
pihariana fiompiana toy ny :
ny
seha-
- seha-pihariana ronono (MDB),
-seha-pihariana fiompiana haingampihodina (MPE),
-seha-pihariana tantely (FENAM)
NY ENTIN’NY FIOMPIANA EO AMIN’NY
FANATSARANA NY FIDIRAM-BOLA ISANTOKAN-TRANO
Fanohanana ny EAF amin’ny fampiroboroboana
ny karazany zanatany (fiompiana akoho gasy,
kisoa gasy natsaraina…)
SEHA-PIHARIANA JONO
NY JONO MADINIKA AMIN’NY ANKAPOBENY
- Asa fiveloman’ny ankamaroan’ny mponina
mipetraka amoron-driaka na amoron’ny
matsabory lehibe.
- Ny lehilahy ao amin’ny tokantrano no mandeha
miandriaka na manarato any an-dranomasina
na eny amin’ny farihy.
- Ny vehivavy (renim-pianakaviana) no
mivarotra ny vokatry ny jono eny an-tsena na
eny amin’ny mpanangom-bokatra
NY JONO MADINIKA AMIN’NY ANKAPOBENY
Ny fanjonoana drakaka sy orita dia iarahan’ny
lahy sy vavy ao amin’ny tokantranon’ny
mpanjono.
NY ZAVATRA ENTIN’NY JONO EO AMIN’NY
FANATSARANA NY FIAHIANA ARA-TSAKAFO
- Fiovaovan’ny sakafo sy ny singa ara-otrik’aina
azo avy aminy (fia maina, fia saly,….)
- Ny fahamaroan’ny vokatra an-dranomasina sy
an-dranomamy dia mampitombo ny
tahan’ireo sakafo azo jifain’ny mponina.
NY ZAVATRA ENTIN’NY JONO EO AMIN’NY
FANATSARANA NY FIDIRAM-BOLA ISANTOKAN-TRANO
Ny fahamaroan’ny vokatra an-dranomasina sy
an-dranomamy tsara tantana dia manatsara ny
fidiram-bolan’ny tokantranon’ny mpanjono.
SEHA-PIHARIANA FAMBOLENA
NY EFA NATAO
 Fanampiana ireo mpamokatra hiditra ao anaty
rafitra (appui à la structuration des
producteurs)
 Fanomezana tolotanana amin’ny fanatsarana
ny tontolon’ny fampidramambola (appui aux
finances rurales)
 Fanomezana tohana ireo fifandraisana
amin’ny fahazoana tolodraharaha toy ny :
fanofanana, fampitaovana, fanaovana
fotodrafitrasa (appui aux services agricoles)
VOKATRA NAHOMBY
 Ny fiaraha-miasa amin’ireo fianakaviana
mpamokatra matihanina: toy ny fiompiana
tantely, famokarana masomboly vary, sns…
 Ny fiaraha-miasa 3P : ny voly vary isampianakavina mizotra amin’ny
fampitomboana ny vokatra: 2T => 5 T
 Ny fikojana ny foto-drafitrasa miaraka
ataon’ireo vondron’ny mpampiasa rano
(AUE)
LESOKA HITA
 Tsy fahombiazan’ireo asa famokarana
natao tsy antsitrapon’ireo mpamokatra
fa araka ny filàn’ny tetik’asa (projet)
 Ny famokarana tsy voadinika ho
maharitra
VINAVINA
 Miainga amin’ny fanaovana DIP: fanaDiadiana
Iraisann’ny mPisehatra isaky ny rafitra (Diagnostic
insitutionnel participatif)
 Manome tohana amin’ny fametrahana sy ho
amin’ny fahombiazanan’ ny lalàm-pihariana
mitondra fampitombon-karena : vokatra mamaly
ny filàn’ny tsena : kalitao, habetsaka, amin’ny
fotoana ilàna azy
 Manampy mametraka rohim-pihariana mivelatra
sy maharitra (mise en place de mécanisme viable
et soutenable pour les agiculteurs familiaux au sein
des OP, et incluant les femmes)
VINAVINA (tohiny)
 Manampy mandrafitra tetik’asa matihanina
miaraka amin’ny mpisehatra rehetra isaky
ny lalàm-pihariana (filière): ohatra katsaka,
vary , akoho, trondro…, ao anatin’ny planina
(5 taona, 10 taona)
 Manome tohana ireo sokajin’ny vondron’ny
mpamokatra :
OP sahirana, OP salasalany, OP matanjaka
Misaotra naharitra nihaino